<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>445</hymn_number>
<title>Jeso mora fo indrindra FFPM445</title>
<lyrics>[V1]
 Jeso mora fo indrindra,
 Tsara sady mahasoa,
 Tsy miova, tsy mifindra,
 Tompo be fitia tokoa.
 Mba iriko ho toa Azy
 Tsy mba mety soso-po,
 Ka hionona ny foko
 Raha avy ny manjo.

[V2]
 Jeso tia, nanetry tena
 Sy nandefitra tokoa,
 Nefa Tompo be harena
 Sy Mpanjaka foto-tsoa.
 Mba iriko ho toa Azy
 Izay ninia ho ory koa ;
 Ka ny sainy no fidiko,
 Fa fiainana tokoa.

[V3]
 He ! manolo-tena aho,
 Ho Anao, ry Tompo soa !
 Ka ny heloko rehetra
 Mba sasaonao avokoa.
 Enga ka homenao ahy
 Fo madio sy vaovao,
 Mba hahaizako manefa
 Izay rehetra sitrakao.</lyrics>
<author>J.R. Sweney</author>
</song>